plt_tn/mat/15/01.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mivadika makany amin'ny tranga izay niseho fotoana kely taorian'ireo tranga tao amin'ny toko teo aloha ny tantara. Eto i Jesosy dia mamaly ny fanakianan'ireo Fariseo.

Nahoana ireo mpianatrao no mandika ny fomban-drazan'ireo zoky olona?

Ampiasain'ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna io fanontaniana io mba hitsikerana an'i Jesosy sy ireo mpianany. DH: "Tsy manaja ireo fitsipika izay nomen'ny razambenay ireo mpianatrao"

fomban-drazan'ireo zoky olona

Tsy mitovy amin'ny lalàn'ny Mosesy io. Manambara ireo fampianarana sy hevitra momba ny lalàna taty aoriana izay nomen'ny mpitarika fivavahana taorian'i Mosesy io.

tsy manasa ny tanany izy ireo

Ity fisasana ity dia tsy fanasan-tanana fotsiny. Ilazana ny fomba fisasana araka ny fomban-drazan'ireo zoky olona izany. DH: "izy ireo dia tsy manasa ny tanan'izy ireo araka ny tokony ho izy"

Koa nahoana ary ianareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra nohon'ny fomban-drazanareo?

Mamaly amin'ny fanontaniana i Jesosy mba hitsikerana ny ataon'ireo mpitarika fivavahana. DH: "Ary hitako fa tsy manaiky ny hankatoa ny didin'Andriamanitra ianareo mba hahafahanareo manaraka izay nampianarin'ny razambenareo anareo!"