plt_tn/mat/13/54.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay mitohy hatrany amin'ny 17:26, izay hitantaran'ny mpanoratra ny amin'ny fanoherana tsy mitsahatra ny asa fanompoan'i Jesosy sy ny fampianarana momba ny fanjakan'ny lanitra. Eto, dia mandà an'i Jesosy ireo olona avy ao amin'ny tanàna niaviany.

taniny manokana

"tanàna niaviany." Io dia maneho ny tanàn'i Nazareta izay nahalehibe an'i Jesosy.

synagogan'izy ireo

Ny mpisolotena "izy ireo" dia manondro ireo olona avy ao amin'ilay faritra.

talanjona izy ireo

"gaga izy ireo"

Avy aiza no ahazoan'ity lehilahy ity ny fahendreny sy ireo fahagagana ireo?

"Ahoana no ahafahan'ny olon-tsotra ohatran'io ho hendry sy hanao fahagagana lehibe tahaka izao?"

Tsy io lehilahy io va no zanak'ilay mpandrafitra? Tsy Maria va no hiantsoana ny reniny? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy va no rahalahiny? 56Tsy miaraka amintsika va ireo anabaviny rehetra? Avy aiza no nahazoany ireo zavatra rehetra ireo?

Mampiasa ireo fanontaniana maromaro ireo ny vahoaka mba hanehoana ny fahatairan'izy ireo ny amin'ny fahafahan'ny olona tsotra avy ao amin'ny faritr'izy ireo manao ireo zavatra rehetra ireo. DH: "Zanaka mpandrafitra fotsiny i Jesosy. Fantantsika ny reniny, Maria. Sy ireo rahalahiny Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy, ary ireo rahavaviny dia velona eto amintsika eto. Ny olona tsotra dia tsy tokony hahavita ireny zavatra ireny!"

zanak'ilay mpandrafitra

Ny mpandrafitra dia olona manamboatra zavatra avy amin'ny hazo na vato. Raha tsy misy mahafantatra ny hoe "mpandrafitra" dia azo ampiasaina ny hoe "mpanorina."