plt_tn/mat/13/51.md

1.7 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mamaritra ny fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'ny filazana fanoharana iray momba ny olona iray izay mitantana tokantrano i Jesosy. Ity no fiafaran'ny fizaran-tantara izay hampianaran'i Jesosy ireo vahoaka momba ny fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'ny fampiasana fanoharana.

Azonareo ve izany zavatra rehetra izany?" Hoy ireo mpianany taminy hoe: "Eny."

Raha ilaina, dia azo atao tsy mivantana ireo teny anakiroa ireo. DH: "Nanontany azy ireo i Jesosy raha azon'izy ireo izany rehetra izany, ary nilaza izy ireo fa azon'izy ireo.

lasa mpianatra eo amin'ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "Nianatra ny marina momba ny Andriamanintsika any an-danitra, izay mpanjaka" na "nanolotra ny tenany ho an'ny fitsipik'Andriamanitra"

dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, izay mamoaka ireo zavatra tranainy sy ireo zavatra vaovao avy ao amin'ny hareny

Milaza fanoharana hafa i Jesosy. Mampitaha ireo mpanora-dalàna, izay mahalala tsara ny soratra masina izay nosoratan'i Mosesy sy ireo mpaminany, ary nanaiky ireo fampianaran'i Jesosy ihany koa, amina tompon-trano iray izay sady mapiasa ny hareny taloha sy vaovao.

hareny

Ny harena eto dia zavatra lafo vidy sy sarobidy tokoa na zavatra nangonina. Eto dia mety manondro ny toerana hitoeran'ilay harena io, "trano fitehirizana."

Avy eo rehefa

Mamadika ilay tantaran'ny fampianaran'i Jesosy mankany amin'izay nitranga manaraka io. DH: "Taorian'izany"