plt_tn/mat/13/47.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mamaritra ny fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'ny filazana fanoharana momba ny mpanarato izay nampiasa harato lehibe hahazoana trondro i Jesosy.

ny fanjakan'ny lanitra dia toy ny harato

Tsy hoe toy ny harato ny fanjakan'ny lanitra, fa ny fanjakana dia misintona izay karazan'olona rehetra toy ny harato izay mahazo ny karazan-trondro rehetra.

ny fanjakan'ny lanitra dia toy

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "Rehefa miseho tahaka ny mpanjaka ny Andriamanintsika, dia ho toy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:24.

toy ny harato izay natsipy tany an-dranomasina

Azo atao hoe DH: "toy ny harato izay natsipin'ny mpanarato maromaro tany an-dranomasina"

nanangona ireo karazan-java-manan'aina rehetra

"nahazo ireo karazan-trondro rehetra"

ireo zavatra tsara

"ireo izay tsara"

ireo zavatra tsy ilaina

"ireo trondro ratsy" na "ireo trondro tsy azo hanina"

narian'izy ireo

"tsy notazonin'izy ireo"