plt_tn/mat/13/44.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mamaritra ny fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'ny filazana fanoharana momba ny olona izay nivarotra ireo fananany mba hividianana zavatra manan-danja be i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ireo fanoharana roa ireo, dia mampiasa fampitahana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany hoe toy ny ahoana ny fanjakan'ny lanitra.

Ny fanjakan'ny lanitra dia toy

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "Rehefa miseho tahaka ny mpanjaka ny Andriamanintsika, dia ho toy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 13:24.

toy ny harena izay miafina ao amin'ny saha iray

Azo atao hoe DH: "harena izay nisy nanafina tao amina saha iray"

harena

zavatra tena sarobidy sy lafo-vidy na zavatra nagonina

Nandeha tamin'ny hafaliany izy, nivarotra izay rehetra nananany, ary nividy io saha io

Ny hevitra tian'izany ambara dia novidian'ilay olona izany saha izany mba hahazoany ilay harena miafina.

toy ny lehiahy izay mpivarotra mitady vatosoa lafo vidy

Ny hevitra ambadik'izany dia nitady voahangy lafo vidy izay afaka ho vidiany izy.

mpivarotra

mpivarotra ambongadiny izay mandray ny entam-barotra avy amin'ny toerana lavitra.

voahangy lafo vidy

Ny ''voahangy'' dia vato kely malama, mafy, mamiratra, fotsy na mazava loko izay miforona ao anaty akorandriaka any anaty ranomasina ary lafo tahaka ny vato sarobidy na hanamboarana firavaka lafo vidy. DH: "voahangy tsara tarehy"