plt_tn/mat/13/22.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy manazava amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay olona namafy voa i Jesosy.

Ilay nafafy

Manondro ilay voa izay voa nafafy na nilatsaka io. DH: "Ilay voa izay voafafy" na "Ilay voa izay nilatsaka"

Ilay nafafy teny amin'ny tsilo

"ny tany nisy tsilo izay namafazana ilay voa"

io dia ny olona

"io dia maneho ny olona"

ny teny

Eto ny "teny" dia ilazana ny hafatr'Andriamanitra. DH: "ny hafatra" na "ny fampianaran'Andriamanitra"

ny fiahiahian'izao tontolo izao sy ny fitaky ny harena no mangeja ny teny

Jesosy dia milaza ny amin'ny ahiahin'izao tontolo izao sy ny famitahan'ny harena izay misarika olona iray mba tsy hankatoa ny tenin'Andriamanitra, toy ny tsilo izay afaka mangeja ny voa ary manakana azy tsy hitombo. DH: "toy ny tsilo izay manakana ny voa tsy hitombo, ny ahiahin'izao tontolo izao sy ny famitahan'ny harena dia manakana io olona io tsy hiaino ny tenin'Andriamanitra"

ny fiahiahian'izao tontolo izao

"ireo zavatra eto amin'izao tontolo izao izay ahiahian'ny olona"

ny fitaky ny harena

Faritan'i Jesosy tahaka ny olona izay afaka mamitaka olona iray hafa ny "harena." Ny dikan'izany dia hoe mihevitra ny olona fa ny fananana vola bebe kokoa no hahasambatra azy ireo, saingy tsy izany. DH: "ny fitiavam-bola"

lasa tsy mamoa izy

Resahana toy ny hoe hazo ilay olona eto. DH: "Lasa tsy mamokatra izy" na "tsy manao izay tian'Andriamanitra izy."

Ilay nafafy teo amin'ny tany tsara

"Ny tany tsara izay namafazana voa"

Mamoa voankazo izy ary mahatonga ny voa iray

Resahana toy ny hoe hazo ilay olona eto. DH: "Toy ny hazo mamokatra izy''