plt_tn/mat/12/43.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mananatra ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo i Jesosy.

Rehefa nisy fanahy ratsy ... ity taranaka ratsy fanahy ity

Milaza fanoharana i Jeosy mba hampitandremana ny amin'ny fahalozan'ny tsy finoana Azy.

tany karakaina

"toerana maina" na "toerana izay tsy misy olona mipetraka"

nefa tsy mahita izany

Eto ny "izany" dia ilazana ilay fitsaharana.

Izany dia milaza hoe: 'Hiverina any amin'ny tranoko izay niaviako aho.'

Azo adika toy izao io DH: "Noho izany, dia manapa-kevitra ny hiverina any amin'ny trano izay niaviany ilay fanahy maloto"

tranoko izay niaviako

Sarin-teny ilazana olona iray izay nitoeran'ilay fanahy maloto io. DH: "any amin'ny toerana nialako"

nahita fa voafafa ny trano ary nilamina

Azo atao hoe DH: "hitan'ilay fanahy maloto fa nisy olona namafa madio ilay trano ary nisy namerina ny zavatra rehetra tamin'ny laoniny"

voafafa ny trano ary nilamina

Eto indray, ny "trano" dia sarin-teny ilazana ilay olona izay nitoeran'ilay fanahy maloto. Eto, ny hoe "voafafa sy nilamina" dia manolo-kevitra fa tsy misy mipetraka ao amin'ilay trano. Ny tian'i Jesosy ambara dia hoe: rehefa miala amin'olona iray ny fanahy maloto, dia tsy maintsy manasa ny Fanahy Masina hitoetra ao aminy izy raha tsy izany dia hiverina ilay demonia.

ho tahaka izany koa ny amin'ity taranaka ratsy fanahy ity

Midika izany fa raha tsy mino Azy ary tonga mpianany ireo olona tamin'ny andron'i Jesosy, dia ho ratsy lavitra ny toe-javatra hiainan'izy ireo alohan'ny hahatongavany.