plt_tn/mat/11/23.md

2.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mananatra ireo olona tao amin'ireo tanàna izay nanaovany fahagagana teo aloha i Jesosy.

Ianareo, ry Kapernaomy

Miresaka amin'ireo olona ao amin'ny tanànan'i Kapernaomy toy ny hoe mihaino Azy eo izy ireo, saingy tsy eo izy ireo. Ny mpisolotena "ianareo" dia maneho an'i Kapernaomy hatrany eto amin'ireto andininy roa ireto.

Kapernaomy ... Sodoma

Ireo anaran-tanàna ireo dia manondro ireo olona monina ao Kapernaomy sy Sodoma.

mihevitra ve ianareo fa hasandratra any an-danitra?

Mampiasa fanontaniana tsy valiana i Jesosy mba hananarana ireo vahoakan'i Kapernaomy nohon'ny fireharehan'izy ireo. Azo atao hoe DH: "tsy afaka manandratra ny tenanareo any an-danitra ianareo" na "tsy hanandratra anareo any an-danitra ny fideran'ny olona hafa" na "tsy hampiakatra anareo any an-danitra araka izay heverinareo ho ataony Andriamanitra"

ho entina hidina any amin'ny helo ianareo

Azo atao hoe DH: "Andriamanitra handefa anareo any amin'ny helo"

Satria raha tany Sodoma ... dia mbola ho tavela izany mandrak' androany

Manombatombana izay tokony ho nitranga tany aloha, kanefa tsy nitranga i Jesosy.

raha tany Sodoma no natao ireo asa mahagaga izay natao teto

Azo atao hoe DH: "raha nataoko teo amin'ireo vahoakan'i Sodoma ireo asa mahagaga izay nataoko teo aminareo"

asa mahagaga

"asan'ny hery" na "fahagagana"

dia mbola ho tavela izany mandrak' androany

Ny mpisolotena "izany" dia maneho ny tanànan'i Sodoma.

milaza aminareo Aho

Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

ho mora kokoa ho an'ny tanin'i Sodoma ny andron'ny fitsarana noho ny ho aminareo

Eto ny "tanin'i Sodoma" dia manondro ireo olona izay nonina tao. DH: "Haneho famindram-po amin'ny vahoakan'i Sodoma bebe kokoa Andriamanitra amin'ny andron'ny fitsarana noho ny aminareo" na "Hanafay anareo mafimafy kokoa noho ireo vahoakan'i Sodoma Andriamanitra amin'ny andron'ny fitsarana"

noho ny ho aminareo

Azo hazavaina kokoa io. DH: "noho ny anareo, satria tsy nibebaka sy nino Ahy ianareo, na dia hitanareo nanao fahagagana aza Aho"