plt_tn/mat/11/11.md

1.8 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Manohy miresaka momba an'i Jaona Mpanao Batisa amin'ireo vahoaka i Jesosy.

Lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

amin'ireo izay natera-behivavy

Fomba ilazana ny olombelona rehetra io. DH: "amin'ireo izay velona hatrizay"

tsy misy lehibe mihoatra noho Jaona mpanao Batisa

Azo atao hoe DH: "Jaona Mpanao Batisa no lehibe indrindra" na "Jaona Mpanao Batisa no manan-danja indrindra"

ny olona tsy manan-danja indrindra eo amin'ny fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "ny olona tsy kely indrindra eo ambanin'ny fanapahan'ny Andriamanintsika izay any an-danitra"

dia lehibe noho izy

"lehibe noho i Jaona"

Nanomboka tamin'ny andron'i Jaona mpanao Batisa

"Nanomboka tamin'ny fotoana nitorian'i Jaona ny hafatra"

miaritra amin'ny herisetra ny fanjakan'ny lanitra, ary ireo olona mahery setra dia maka azy an-keriny

Misy fomba maro mety handikana ireo andininy ireo. Ny ULB sy ny UDB dia mihevitra fa io dia midika hoe misy olona te hampiasa ny fanjakan'ny lanitra ho an'ny tombontsoa feno fitiavan-tenan'izy ireo manokana, ary vonona ny hampiasa hery hanohitra ny olona izy ireo mba hanatanterahana izany. Misy fandikana hafa mandroso hevitra tsara fa ny fiantsoana hidirana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia efa maika, hany ka tsy maintsy miasa amin-kery ny olona mba hamaliana izany antso izany ary hanoherana ny fakam-panahy hanota ao aoriana ao. Ary ny fandikana fahatelo dia milaza fa misy olona mahery setra mamely ireo olon'Andriamanitra sady miezaka ny hampitsahatra an'Andriamanitra tsy hanjaka intsony.