plt_tn/mat/10/37.md

44 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mampianatra ireo mpianany ny amin'ny antony tsy tokony hatahoran'izy ireo ny fanenjehana izay mety hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory i Jesosy.
# Izay ... tsy mendrika
Ny teny hoe "izay" dia ilazana ny olona amin'ny ankapobeny. DH "ireo izay .. tsy mendrika" na "raha ... ianao ... tsy mendrika ianao"
# tia
Ny teny hoe "tia" eto dia ilazana ny "fifankatiavan'ny mpirahalahy" na "fifankatiavan'ny mpianamana." DH: "miraharaha" na "manolo-tena ho an'ny" na "finaritra amin'ny"
# mendrika Ahy
"mandrika ny ho Ahy" na "mendrika ny mpianatro"
# mandray ny hazofijaliany ka manaraka Ahy
"mitondra ny hazofijaliany ary manaraka Ahy." Ny hazofijaliana dia maneho fahoriana sy fahafatesana. Mandray ny hazofijaliana ary vonona ny hijaly sy ho faty. DH: "tsy maintsy mankatoa na dia ho amin'ny fijaliana sy fahafatesana aza"
# mandray
"mandray ary milanja"
# mamonjy
Ilazana ny hoe "mihazona" na "mahita" io. DH: "miezaka ny hihazona" na "miezaka ny hamonjy"
# hahavery
Tsy midika izany fa ho faty ilay olona. Io dia sarin-teny ilazana fa tsy hiaina fiainana ara-panahy miaraka amin'Andriamanitra ilay olona.DH: "tsy hanana fiainana tena izy"
# izay mahavery ny ainy
Tsy midika hoe maty izany. Io sarin-teny io dia midika fa mankatoa an'i Jesosy mihoatra noho ny ainy manokana ny olona iray. DH: "izay mandà ny tenany"
# noho ny amiko
"satria matoky Ahy izy."
# hahita izany
Io sarin-teny io dia midika fa hiaina fainana ara-panahy miaraka amin'Andriamanitra ny olona iray. DH: "hahita fiainana tena izy"