plt_tn/mat/10/11.md

2.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy manome toro-marika ireo mpianany i Jesosy momba izay tokony hataon'izy ireo rehefa mandeha mitory.

Na inona na inona tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo

"Isaky ny miditra tanàn-dehibe na vohitra ianareo" na "izay tanàn-dehibe na vohitra hidiranareo"

mendrika ... tsy mendrika

Ao amin'ny 10:11-13, ny olona "mendrika" dia ilazana ny olona izay vonona ny hampandroso ireo mpianatra. Mampitaha io olona io amin'iray izay "tsy mendrika" i Jesosy, olona izay tsy mampandroso ireo mpianatra.

ary mitoera ao mandra-pialanareo

Ny tena dikany feno dia azo hazavaina hoe DH: "mitoera ao an-tranon'izany olona izany mandra-pialanareo ilay tanàn-dehibe na vohitra

Raha vao miditra ao amin'ilay trano ianareo, dia miarahabà ny ao

Ny teny hoe "miarahabà ny ao" dia midika hoe arahabao ny ao an-trano. Ny fiarahabana niraisana tamin'izany andro izany ny hoe "Fiadanana ho amin'ity trano ity!" Eto ny "trano" dia manondro ireo olona mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "Raha miditra ao amin'ilay trano ianareo, dia arahabao ny olona izay mipetraka ao amin'izany"

mendrika ilay trano

Eto ny "trano" dia manondro ireo olona mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "mampandroso anareo tsara ny olona mipetraka ao amin'izany trano izany" na "mandray anareo tsara ny olona mipetraka ao amin'ilay trano"

aoka ny fiadananareo ho tonga ao

Ny teny hoe "ao" dia midika hoe ilay trano. Eto ny "trano" dia manondro ireo olona mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "aoka ho tonga ao ny fiadanana" na "hiaina am-piadanana ny olona izay mipetraka ao amin'izany trano izany"

ny fiadananareo

Ilay fiadanana izay hangatahan'ireo apostoly ho tonga eo amin'ireo olona ao amin'ilay trano.

raha tsy mendrika

Ny teny hoe "ao" dia midika hoe ilay trano. Eto ny "trano" dia manondro ireo olona mipetraka ao amin'ilay trano. DH: "raha tsy mandray tsara anareo izy ireo"

aoka ny fiadananareo hiverina aminareo

Ireo mety ho dikany dia 1) raha tsy mendrika ilay ankohonana, dia ho hazonin'Andriamanitra lavitra azy ireo ny fiadanana na fitahiana na 2) raha tsy mendrika ilay ankohonana, dia tokony hanao zavatra ireo apostoly, toy ny fangatahana amin'Andriamanita tsy hanome haja ny fanononam-piadanan'izy ireo.