plt_tn/mat/10/05.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto i Jesosy dia manomboka manome toro-marika ireo mpianany momba izay tokony hataon'izy ireo sy hampoizin'izy ireo rehefa mandeha mitory izy ireo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Na dia manomboka amin'ny filazana fa naniraka ireo roa ambin'ny folo lahy aza ny andininy faha 5, dia efa nanome ireo toro-marika ireo i Jesosy talohan'ny nandefasany azy ireo.

Nirahin'i Jesosy izy roa ambiny folo

"Ireo roa ambin'ny folo no nirahin'i Jesosy"

Nirahina

Nirahin'i Jesosy izy ireo nohon'ny antony mazava.

Nanoro azy ireo Izy

"Nolazainy tamin'izy ireo izay tokony hataon'izy ireo" na "Nandidy azy ireo Izy"

ondry very amin'ny taranak'Israely

Io dia sarin-teny mapitaha ny firenan'Israely manontolo amin'ny ondry izay nania niala tamin'ny mpiandry azy ireo.

taranak'Israely

Maneho ny firenen'Israely io. DH: "vahoakan'Israely" na "zanak'Israely"

rehefa mandeha ianareo

Manondro ireo apostoly roa ambin'ny folo ny hoe "ianareo" eto.

Efa akaiky ny fahatongavan'ny Fanjakan'ny lanitra

Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Ny fehezanteny hoe "fanjakan'ny lanitra" dia ampiasaina ao amin'ny bokin'i Matio ihany. Raha azo atao, tazony ao amin'ny fandikan-teninao ny hoe "lanitra." DH: "hiara-belona amin'Andriamanitra any an-danitra rehefa miseho tahaka ny mpanjaka Izy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 3:1.