plt_tn/mat/09/35.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny andininy faha 35 no fiafaran'ny tantara momba ny asa fanasitranan'i Jesosy tany Galilia izay niantomboka tao amin'ny 8:1.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny andininy faha 36 dia manomboka fizaran-tantara vaovao izay ampianaran'i Jesosy ireo mpianany sy anirahany azy ireo handeha hitory sy hanasitrana toy ny nataony.

ireo tanàn-dehibe

Nandeha tany amin'ny tanàna maro na ny ankamaroany amin'ireo tanàna i Jesosy, fa tsy voatery hoe ny tanàna rehetra. DH: "maro tamin'ireo tanàna"

filazantsaran'ny fanjakana

Eto ny hoe ''fanjakana'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra tahaka ny mpanjaka. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:23.

ireo karazan'aretina rehetra sy ireo karazana fahararina rehetra

"ireo aretina rehetra sy faharariana rehetra." Ny teny hoe "aretina" sy "faharariana" dia mifandray ary tokony hadika ho teny roa samihafa raha azo atao. Ny "aretina" no mahatonga ny olona harary. Ny "faharariana" dia fahelemen'ny vatana na otrik'aretina izay miafara amin'ny fisian'ny aretina.

Tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo

Ity fampitahana ity dia midika fa izy ireo tsy nanana mpitarika hiahy azy ireo. DH: "Tsy nanana mpitarika ireo olona"