plt_tn/mat/09/01.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Miverina amin'ilay lohahevitra izay niantomboka tao amin'ny toko 8:1 ny mpanoratra, izay momba an'i Jesosy manasitrana olona. Manomboka amin'ny tatitra momba an'i Jesosy manasitrana lehilahy voan'ny paralysisa ity.

Niditra tao an-tsambokely Jesosy

Misy hevitra ambadika io fa niaraka tamin'i Jesosy ireo mpianatra.

an-tsambokely

Mety ho ilay sambokely tao amin'ny toko 8:23 ihany io. Raha ilaina ihany vao tokony hamaritra izany ianao mba hialana amin'ny fifangaroana.

tao amin'ny tanànany

"tao amin'ny tanàna nipetrahany." Maneho an'i Kapernaomy io.

Indro

Io dia manamarika ny fanomboahan-tranga vaovao ao amin'ny fizotran'ny tanatara. Mety hisy olona hafa noho ny teo aloha ho tafiditra ao. Mety manana fomba hanehoana izany ny fiteninao.

noentin'izy ireo

"lehilahy maromaro avy ao an-tanàna"

ny finoan'izy ireo

Maneho ny finoan'ireo lehilahy io ary mety ho tafiditra ao amin'izany koa ny finoan'ilay lehilahy mararin'ny paralysisa.

Anaka

Tsy tena zanak'i Jesosy akory ilay lehilahy. Fa niteny taminy tamim-pahalalam-pomba i Jesosy. Raha mifangaro aminao izany, dia afaka adika koa hoe "Ry namako" na "ry lehilahy" na afaka esorina koa aza.

voavela ny helokao

Azo atao hoe DH: "Navelako ny fahotanao''