plt_tn/mat/08/28.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto ny mpanoratra dia miverina amin'ny lohahevitra momba an'i Jesosy manasitrana olona. Eto dia manomboka ny tatitra momba an'i Jesosy manasitrana lehilahy roa voafatotry ny demonia.

teny ampita

"teny ampitan'ny Ranomasin'i Galilia"

tanànan'ny Gadarenesa

Nomena anarana avy tamin'ny tanànan'i Gadara ny hoe Gadarenesa.

lehilahy roa izay nofehezin'ny demonia

Azo atao hoe DH: "lehilahy roa izay nofatoran'ny demonia"

Izy ireo ... tena nahery setra ... tsy nisy mpandeha afaka nandalo izany lalana izany

Ireo demonia izay namatotra ireo lehilahy roa dia tena loza be tokoa hany ka tsy nisy afaka nandalo teo amin'io faritra io.

Indro

Manamarika fanombohana tranga iray ao amin'ilay tanatara io. Mety manana fomba hafa hanehoana izany ny fiteninao.

Moa mpifaninona akory izahay sy Ianao, ry Zanak'Andriamanitra?

Mampiasa fanontaniana ireo demonia saingy fahavalo izy ireo manoloana an'i Jesosy. DH: "Aza mampijaly anay, ry Zanak'Andriamanitra!"

Zanak'Andriamanitra

Fiantsoana manan-danja ilazana an'i Jesosy io, izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra.

Tonga eto va Ianao hampihorohoro anay mialohan'ny fotoana voatondro?

Mampiasa fanontaniana amin'ny fomba mifandrafy indray ireo demonia. DH: "Tsy tokony tsy hankatoa an'Andriamanitra amin'ny famaizana anay mialohan'ny fotoana voatondron'Andriamanitra hamaizany anay Ianao!"