plt_tn/mat/08/26.md

1.1 KiB

tamin'izy ireo

"tamin'ireo mpianatra"

Nahoana ianareo no matahotra ... finoana

Niteny mafy tamin'ireo mpianatra tamin'ny alalan'ity fanotaniana tsy valiana ity i Jesosy. DH: "tsy tokony hatahotra ianareo ... finoana" na "Tsy misy tokony hatahoranareo ... finoana."

ry kely finoana

"kely tahaka izao ny finoanareo." Mibedy ireo olona i Jesosy satria kely ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra. Jereo hoe ahoana no nandikanao an'io tao amin'ny 6:30.

Fa karazana lehilahy inona ity, fa na dia ny rivotra sy ranomasina aza mankatoa Azy?

"Na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza dia mankatoa Azy! Fa karazan'olona inona ity? Io fanontaniana tsy valiana io dia mampiseho fa talanjona ireo mpianatra. DH: "Tsy tahaka ny olona rehetra izay efa hitantsika hatrizay ity lehilahy ity! Na ny rivotra sy ny onja aza dia manaiky Azy!"

na dia ny rivotra sy ranomasina aza mankatoa Azy

Raha olona na biby, dia tsy mahagaga ny fankatoavana, fa ho an'ny rivotra sy ny rano dia tena mahagaga. Io teny io dia mamaritra ny singa voajanahary ho toy ny olona afaka mandre sy mamaly.