plt_tn/mat/08/23.md

1006 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Eto ny tantara dia mivadika mankany amin'ny tatitra momba an'i Jesosy mampitony ny tafiotra raha niampita ny Ranomasin'i Galilia.

niditra tao amin'ny sambokely

"nandeha nankao an-tsambokely"

nanaraka Azy tao anatin'io ireo mpianany

Miezaha mampiasa ny teny mitovy amin'ilay nampiasainao tao amin'ny (8:21) ilazana ny hoe "mpianatra" sy "manaraka."

Indro

Manamarika fanombohana tranga iray ao amin'ilay tanatara io. Mety manana fomba hafa hanehoana izany ny fiteninao. DH: "Tampoka teo" (UDB) na "Tsy nisy nanampo"

nisy tafio-drivotra lehibe nitranga teo amin'ny ranomasina

Azo atao hoe DH: "nisy tafio-drivotra mahery niforona teo amin'ny ranomasina"

ka dia rakotry ny onja ny sambo

Azo atao hoe DH: "ka nanarona ny sambokely ny onja"

namoha Azy, nanao hoe: "Vonjeo

Ireo mety ho dikany dia 1) namoha an'i Jesosy ilay voalohany ary niteny izy ireo avy eo hoe: "Vonjeo izahay" na 2) teo am-pamohazana an'i Jesosy izy ireo, dia niteny hoe "Vonjeo."