plt_tn/mat/08/16.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto dia miova indray ny tanatara ary mitantara momba an'i Jesosy manasitrana olona maro hafa ary mandroaka demonia.

Fampahafantarana amin'ny anakapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 17, ny mpanoratra dia milaza ny tenin'Isaia mpaminany mba hampisehoana fa ny asa fanompoan'i Jesosy amin'ny fanasitranana dia fahatanterahan'ny faminaniana.

Rehefa tonga ny hariva

Satria tsy niasa na nanao dia andro Sabata ny Jiosy, dia mety midika hoe taorian'ny Sabata ny hoe "hariva." Niandry hatramin'ny hariva izy ireo mba hitondrana olona eo amin'i Jesosy. Tsy mila manonona ny hoe Sabata ianao.

maro ireo nofehezin'ny demony

Azo atao hoe DH: "maro ireo izay no fatoran'ny devoly"

Nandroaka ireo fanahy tamin'ny teny Izy

Eto ny hoe "teny" dia ilazana didy. DH: "Nandidy ireo fanahy hiala Izy"

nahatanteraka izay nambara tamin'Isaia mpaminany, nanao hoe

Azo atao hoe. DH: "Tanterak'i Jesosy ny faminaniana izay nambaran'Isaia mpaminany tamin'ireo vahoakan'Israely"

naka ny faharariantsika sy nitondra ireo aretintsika

Milaza ny tenin'Isaia i Matio. Mitovitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo ary manindry mafy fa nanasitrana ny aretintsika rehetra Izy. DH: "nanasitrana ireo marary ary nampahatonga azy ireo hihatsara"