plt_tn/luk/23/29.md

44 lines
1.6 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Tapitra ny firesahan'i Jesosy amin'ny vahoaka.
# Fa indro
Ity dia mampiditra ny antony mahatonga ireo vehivavin'i Jerosalema tokony hitomany ho an'ny tenan'izy ireo.
# ho avy ny andro
''hisy fotoana tsy ho ela''
# izay hitenenan'izy ireo hoe
''hitenenan'ny olona''
# ireo momba
''vehivavy tsy niteraka''
# ireo kibo izay tsy niteraka ... ny nono izay tsy nampinono zaza
Ireo fehezanteny ireo dia nampiasaina mba hamaritana feno kokoa ny hoe ''momba.'' Ireo vehivavy ireo dia tsy mbola niteraka mihintsy na nampinono zazakely. Mety hanampy ny fanatambarana ireo miaraka amin'ny ''momba'' DH: ''ireo vehivavy izay tsy mbola niteraka mihintsy na nampinono zaza''
# amin'ireo tendrombohitra
DH: ''Hiteny amin'ireo tendrombohitra izy ireo hoe''
# Fa raha manao izany zavatra izany izy ireo raha mbola maitso aza ny hazo, inona no hitranga rehefa maina izany?
Jesosy mampiasa fanontaniana mba hanampiana ny vahoaka hahazo fa ny olona dia manao zavatra ratsy amin'izao fotoan-tsara izao, ka azo antoka fa hanao zavatra ratsy kokoa izy ireo amin'ny fotoan-dratsy amin'ny ho avy. DH: ''Hitanao fa manao ireny zavatra ratsy ireny izy ireo raha mbola maitso ny hazo, koa afaka mahazo antoka ianao fa hanao zavatra ratsy kokoa izy ireo rehefa maina ny hazo''
# maitso ny hazo
Ny hazo maitso dia fanoharana ho an'ny zavatra tsara. Raha manana fanoharana mitovitovy ny fiteninao, dia tokony hampiasainao eto izany.
# maina izany
Ny hazo maina dia fanoharana ho an'ny zavatra ratsy izay ilaina an-dorana fotsiny.
# izy ireo
Ity dia afaka maneho na ireo Romana na ireo mpitarika Jiosy.