plt_tn/luk/23/11.md

674 B

nampiankanjo Azy lamba tsara tarehy

Ny fandikan-teny dia tokony tsy hilaza fa natao hanomezam-boninahitra na hikarakarana an'i Jesosy ity. Nataon'izy ireo hanesoana an'i Jesosy sy hihomehezana Azy ity.

Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin'ny androtr'io

Ny fanazavana tiana hambarana dia hoe lasa mpinamana izy ireo satria nankasitrahan'i Heroda ny famelan'i Pilato azy mba hitsara an'i Jesosy. DH: ''Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin'io andro io satria nalefan'i Pilato tany amin'i Heroda mba ho tsaraina Jesosy''

talohan'izany dia mpifahavalo izy ireo

Ity fanazavana ity dia natao anaty fononteny mba hampisehoana fa fampahafantarana fototra izany.