plt_tn/luk/22/69.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manohy miresaka amin'ny Synedriona.

manomboka izao

''manomboka amin'ity andro ity'' na ''manomboka androany''

ny Zanak'Olona

Jesosy nampiasa ity fehezanteny ity mba hanehoana ny tenany. Ity fiantsoana ity koa dia maneho an'i Kristy, fa ireo loholona dia mila manontany hanamarinana fa milaza ny tenany ho Kristy Izy.

hipetraka eo an-kavanan'ny herin'Andriamanitra

Ireo Jiosy dia nahazo fa Andriamanitra irery no afaka mipetraka eo. Noraisin'izy ireo mitovy amin'ny miteny hoe: ''hiaraka amin'Andriamanitra ho Andriamanitra'' ity.

ny herin'Andriamanitra

Eto ny ''hery'' dia maneho ny fahefany fara-tampony.

Dia zanak'Andriamanitra iany Ianao?

Ny Synedriona nanontany ity satria tian'izy ireo hanazava Jesosy mba hanamafisana ny fahazoan'izy ireo fa milaza ho Zanak' Andriamanitra Izy. DH: ''Noho izany raha nilaza izany Ianao, ny tianao tenenina ve dia hoe Zanak' Andriamanitra Ianao?''

Zanak'Andriamanitra

Ity dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy.

voalazanareo fa Izaho no Izy

''Eny, araka izay voalazanareo izany''

Nahoana no mbola mila vavolombelona isika?

Nampiasa fanontaniana izy ireo mba hanamafisana. DH: ''tsy mila vavolombelona intsony isika!''

naheno avy tamin'ny vavany

Ny hoe ''avy tamin'ny vavany'' dia maneho izay nolazainy. DH: ''naheno Azy niteny fa Izy no Zanak'Andriamanitra''