plt_tn/luk/22/26.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manohy mampianatra ireo apostoliny.

Tsy toy izany mihintsy ny aminareo

''tsy tokony hanao tahaka izany ianareo''

ny kely indrindra

Ny olona lehibe dia najaina tamin'izany kolontsaina izany. Ireo mpitarika dia olon-dehibe foana ary natsoina hoe ''loholona.'' Ny kely indrindra no tsy manan-danja indrindra. DH: ''izay tsy manan-danja indrindra''

tahaka izay manompo

''mpanompo''

Fa

Ity dia mampifandray ny baikon'Andriamanitra tao amin'ny 26 amin'ny andininy 27 iray manontolo. Izany dia midika fa ny lehibe indrindra dia tokony hanompo satria Jesosy dia mpanompo.

Fa iza no lehibe kokoa ... manompo?

Jesosy mampiasa ity fanontaniana ity mba hanombohana ny fanazavana amin'ireo apostoly izay tena lehibe marina. DH: ''Tiako hieritreritra izay lehibe kokoa ianareo ... manompo.''

izay mipetraka amin'ny latabatra

''izay misakafo''

Tsy izay mipetraka eo amin'ny latabatra ve?

Jesosy mampiasa fanontaniana hafa mba hampianarana ireo mpianatra. DH: '''Mazava be fa izay mipetraka amin'ny latabatra dia manan-danja koka noho ilay mpanompo!''

Kanefa Izaho eto aminareo toy ny iray izay manompo

''Fa manompo anareo Aho.'' Eto ny teny hoe ''kanefa'' satria misy fifanoherana eo amin'izay antenain'ny olona hoe iza Jesosy sy ny tena maha Izy Azy.