plt_tn/luk/20/29.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tapitra ny fametrahan'ireo Sadoseo ny fanontanian'izy ireo amin'i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireo Sadoseo milaza tantara fohy an'i Jesosy ao amin'ny andininy faha 29-32. Ity dia tantara noforonin'izy ireo ho ohatra. Ao amin'ny andininy faha 33, dia manontany an'i Jesosy izy ireo ny momban'ny tantara notantarain'izy ireo.

Nisy mpirahalahy fito

Mety nitranga izany, kanefa mety ho tantara iray noforonin'izy ireo hitsapana an'i Jesosy izany.

ny voalohany ... ny faharoa ... Ny fahatelo

''rahalahy voalohany ... rahalahy faharoa ... Rahalahy fahatelo''

ary maty tsy nanan-janaka

''ary maty, fa tsy nanan-janaka''

ny faharoa koa torak'izany

Tsy namerina ireo antsipiriany izy ireo mba hanafohezana ny tantara. DH: ''ilay faharoa nanambady azy ary zavatra mitovy no nitranga'' na ''ilay rahalahy faharoa nanambady azy ary maty tsy nanan-janaka''

Nampakatra azy ny fahatelo

''nanambady azy ilay fahatelo''

toy izany avokoa izy fito samy tsay nanan-janaka, ary maty

Tsy namerina ny maro tamin'ireo antsipiriany izy ireo mba hanafohezana ilay tantara. DH: ''tahaka izany avokoa ny sisa tamin'ireo mpirahalahy fito nanambady azy ary tsy niteraka sy maty''

izy fito

''ireo mpirahalahy fito'' na ''ny tsirairay tamin'ireo mpirahalahy fito''

Amin'ny fitsanganana amin'ny maty

''rehefa hatsangana amin'ny maty ny olona'' na ''rehefa velona indraya ny olona efa maty.'' Ny fiteny sasany dia manana fomba fanehoana fa ireo Sadoseo dia tsy nino fa hisy fitsanganana amin'ny maty, toy ny hoe: ''rehefa heverina fa hitsangana ny olona efe maty.''