plt_tn/luk/20/21.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity no fiantombohan'ny fizarana manaraka ao amin'ny tantara. Fotoana maro no lasa hatramin'ny nanontanian'ireo lohan'ny mpisorona an'i Jesosy tao an-tempoly. Ireo mpitsikilo izao no manontany an'i Jesosy.
# Nanontany Azy izy ireo hoe
''nanontany Azy ireo mpitsikilo''
# Mpampianatra o! fantatray ... lalan'Andriamanitra
Ireo mpitsikilo dia niezaka handiso fanantenana an'i Jesosy. Tsy nino ireo zavatra momban'i Jesosy ireo izy ireo.
# fantatray
ireo mpitsikilo no tenenina eto
# tsy voasariky ny hevitr'iza na iza
Ireo dika azo heverina: 1) ''milaza ny marina ianao na dia tsy tia izany aza ny olona manan-danja'' na 2) ''tsy mizaha tavan'olona ianao''
# fa Ianao dia mampianatra ny marina momban'ny lalan'Andriamanitra
Ity dia isan'ireo nambaran'ny mpitsikilo fa fantatr'izy ireo momban'Andriamanitra.
# Ara-dalàna ... sa tsia?
Nanantena izy ireo hoe hamaly ''eny'' na ''tsia'' Jesosy. Raha niteny ''eny'' Izy, dia ho tezitra aminy ireo olona Jiosy amin'ny fitenenana azy ireo handoa hetra amin'ny fanjakana vahiny. Raha niteny hoe ''tsia'' Izy, dia afaka hiteny amin'ireo Romana ireo mpitarika fivavahana fa nampianatra tao an-tempoly Jesosy mba handravana ireo lalàn'ny Romana.
# ara-dalàna
Nanontany ny momban'ny lalàn'Andriamanitra izy ireo, fa tsy momban'ny lalàn'i Kaisara. DH: ''Ny lalàntsika ve mamela antsika''
# Kaisara
Satria Kaisara no mpanapaka ny fanjakana Romana, dia afaka naneho ny fanjakana Romana izy ireo tamin'ny anaran'i Kaisara.