plt_tn/luk/20/17.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manohy mampianatra ny vahoaka.

Fa nijery azy ireo Jesosy

''Fa nanopi-maso azy ireo Jesosy'' na ''fa nijery mahitsy azy ireo Izy.'' Nanao izany Izy mba hitazomana azy ireo tompon'andraikitra hahazo izay nolazainy.

Inona no hevitr'ilay voasoratra hoe: 'Ny vato ... vato fehizoro?

Jesosy mampiasa fanontaniana mba hampianarana ny vahoaka. DH: ''ianareo dia tokony hahazo izay voasoratra hoe: ''Ny vato ... vato fehizoro.'''

ilay voasoratra hoe

''ity Soratra Masina''

Ny vato izay nolavin'ny mpanori-trano no tonga vato fehizoro

Ity no voalohany amin'ireo fanoharana telo amin'ny faminaniana avy ao amin'ny bokin'ny Salamo. Ity iray ity dia maneho ny Mesia raisina toy ny hoe Izy ilay vato izay tsy nofidian'ny mpanorina ho hampiasaina, fa Andriamanitra nametraka ny vato manan-danja indrindra.

mpanori-trano

Ity dia maneho ireo mpanapaka fivavahana izay mandà an'i Jesosy ho ilay Mesia.

vato fehizoro

''ny vato manan-danja indrindra amin'ny trano be''

Ny tsirairay izay mianjera ... torotoro

Ity fanoharana ity dia miresaka ny olona izay mandà ny Mesia toy ny hoe mianjera amin'ny vato avokoa izy ireo ary maratra.

ho torotoro

ity no vokatry ny fianjerana amin'ny vato.

Fa na iza na iza hianjerany

Na iza na iza hianjeran'izany vatp izany.'' Ity fanoharana fahatelo ity dia miresaka momban'ny Mesia mitsara ireo izay mandà Azy toy ny hoe misy vato be mampianjera azy ireo.