plt_tn/luk/14/25.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Jesosy manomboka mampianatra ny vahoaka izay mandeha miaraka aminy.

Raha misy aminareo manatona Ahy ary tsy mankahala ny rainy, ... dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.

Eto ny "mankahala" dia fanatomboana resaka mba hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny mitia an'i Jesosy mihoatra noho ireo olona hafa. DH: "raha misy manatona Ahy ary tsy tia Ahy mihoatra noho ny hitiavany ny rainy ... dia tsy afaka ny ho mpianatro izy" na "Ny olona izay tia Ahy mihoatra noho ny hitiavany ny rainy ... ihany no afaka ny ho mpianatro"

Na iza na iza tsy milanja ny hazofijaliany ary manaraka Ahhy dia tsy afaka ny ho mpianatro

DH: "raha misy te-ho mpianatro, dia tsy maintsy milanja ny hazofijaliany izy ary manaraka Ahy"

milanja ny hazofijaliany

Jesosy tsy miteny hoe ny Kristianina rehetra dia tsy maintsy hombohana amin'ny hazofijaliana. Ireo Romana dia mampitondra ny olona ny hazofijaliany manokana foana mialohan'ny hanombohan'izy ireo azy amin'ny hazofijaliana mba ho famantarana ny faneken'izy ireo an'i Roma. Ity sariteny ity dia midika hoe tsy maintsy manaiky an'Andriamanitra izy ireo ary vonona hijaly amin'ny fomba rehetra mba ho mpianatr'i Jesosy.