plt_tn/luk/13/15.md

1.3 KiB

Ny Tompo namaly azy

"Ny Tompo namaly ilay mpanapaky ny synagoga"

mpiatsaravelatsihy

Jesosy miresaka mivantana amin'ny mpanapaky ny synagoga, fa ao anatin'izany koa ireo mpanapaka fivavahana hafa. DH: "Ianao sy ireo mpitarika fivavahana namanao dia mpiatsaravelatsihy"

Moa ve tsy samy mamaha ny boriky ... Sabata?

Jesosy mampiasa fanontaniana mba hisainan'izy ireo zavatra izay efa fantatr'izy ireo. DH: "Ianareo dia mamaha ny boriky ... Sabata"

boriky na ombiny

Ireo dia biby izay karakarain'ny olona amin'ny fanomezana rano azy ireo.

amin'ny andro Sabata

Ny fiteny sasany dia manao hoe "Sabata iray" satria tsy fantantsika hoe andro Sabata miavaka inona izany.

Zanaka vavin'i Abrahama

Ity dia fomba fiteny izay midika hoe "taranak'i Abrahama"

izay voafatotr'i Satana

Jesosy mampitaha ny olona mamatotra biby amin'ny fomba famehezan'i Satana ny vehivavy amin'ity aretina ity. DH: "izay tazomin'i Satana handringa amin'ny aretiny" na "izay fatoran'i Satana amin'ny aretina"

tsy tokony mba ho vahana ve ny fatorany amin'ny andro Sabata?

Jesosy mampiasa fanontaniana mba hanamelohana ilay mpanapaky ny synagoga. Jesosy dia miresaka momban'ny aretin'ilay vehivavy toy ny hoe tady izay mamatotra azy izany. DH: "ara-dalàna ny manafaka azy amin'ny fatorany amin'ny andro Sabata"