plt_tn/luk/13/01.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manohy miresaka manoloana ny vahoaka. Ny olona sasany ao amin'ny vahoaka dia mametraka fanontaniana Azy ary manomboka mamaly izy.

Tamin'izany andro izany

Ity fehezanteny ity dia mampifandray ity hetsika ity hatrany amin'ny faran'ny toko faha12 rehefa nampianatra ny vahoaka Jesosy.

ràn'izy ireo no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorony manokana

Eto ny "rà" dia maneho ny fahafatesan'ireo Galiliana. Mety maty tamin'izy ireo nanolotra ny sorony izy ireo.

ràn'izy ireo no nafangaron'i Pilato

Pilato dia mety nandidy ireo miaramilany mba hamono ny olona raha tokony ho izy ihany no hanao izany. DH: ''izay novonoin'ireo miaramilan'i Pilato"

Ianareo ve mieritreritra fa ireo Galiliana dia mpanota mihoatra ... tahaka izany?

"Manaporofo ve izany fa ireo Galiliana dia mpanota mihoatra ... tahaka izany?" Jesosy mampiasa ity fanontaniana ity mba hijerena ny fahazoan'ny olona. DH: "Ianareo dia mieritreritra fa ireo Galiliana dia mpanota mihoatra ... tahaka izany" na "Aza mieritreritra hoe ireo Galiliana ireo dia mpanotra mihoatra ... tahaka izany"

Tsia, Izaho miteny anareo

Eto ny "Izaho miteny anareo" dia manamafy hoe 'tsia." DH: "Izy ireo dia azo antoka fa tsy mpanota mihoatra" na "diso ianareo mieritreritra fa ny fijalian'izy ireo dia manaporofo fa mpanotra mihoatra izy ireo"

ianareo rehetra dia ho faty tahaka izany

"ianareo rehetra ihany koa dia ho faty." Ny teny hoe "tahaka izany" dia midika hoe hiaina ny vokatra mitovy izy ireo, fa tsy hoe ho faty mitovy amin'ny nahafatesan'izy ireo.