plt_tn/luk/11/05.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manohy mampianatra ireo mpianany momban'ny vavaka.

Iza aminareo no hanana

Jesosy nampiasa ity fanontaniana ity mba hampianarana ireo mpianatra. DH: "Eritrereto hoe ny ray amintsika dia manana" na "Eritrereto hoe ianao dia manana"

mba ampindramo mofo telo aho

"avelao aho hindrana mofo telo" na "omeo mofo telo aho dia ho efaiko aminao ao aoriana." Ilay mpampiantramo dia tsy manana sakafo efa vonona haroso ho an'ny vahininy mihintsy.

mofo telo

Ny mofo dia nampiasaina foana mba hanehoana sakafo amin'ny ankapobeny. DH: "sakafo sahaza nomanina ho an'ny olona mba ho hanina"

vao tonga avy lavitra

Ity dia milaza fa lavitry ny trano izy ireo. DH: "nandeha dia lavitra ary vao tonga ato an-tranoko"

tsy manana na inona na inona haroso azy

"tsy manana sakafo vonona haroso azy"

Tsy afaka mitsangana aho

"tsy mora amiko ny mitsangana"

Milaza aminareo Aho

Jesosy niresaka tamin'ireo mpianatra.

manome mofo anareo aza izy satria namany ianareo

Jesosy miresaka amin'ireo mpianatra toy ny hoe izy ireo ilay mangataka mofo.

fikirizana tsy misy henatra

Ity dia maneho ny zava-misy fa ilay olona mangataka mofo dia tsy miraharaha ny zava-misy hoe tsy mora amin'ilay namany ny mitsangana amin'ny sasan-kalina mba haka ilay mofo ho azy.