plt_tn/luk/10/21.md

1.2 KiB

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra

Tompon'ny lanitra sy ny tany

Ny "lanitra" sy ny "tany" dia maneho ny zavatra rehetra izay misy. DH: "Tompon'ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra any an-danitra sy eto an-tany"

ireny zavatra ireny

Ity dia maneho ny fampianaran'i Jesosy teo aloha momban'ny fahefan'ireo mpianatra. Mety tsara kokoa ny miteny fotsiny hoe "ireny zavatra ireny" dia avela hamantatra ny tiana hambara ireo mpihaino.

hendry sy manan-tsaina

"tamin'ny olona izay hendry sy manan-tsaina." Satria Andriamanitra namafa ny marina tamin'izy ireo, dia tsy hendry sy manan-tsaina ireo olona ireo, na dia mieritreritra aza izy ireo fa izany. DH: "'tamin'ireo olona izay mihevitra ny tenany ho hendry sy manan-tsaina ary nianatra."

ireo tsy manam-pahalalana

Ity dia maneho ireo izay mety tsy nianatra betsaka, fa vonona hanaiky ny fampianaran'i Jesosy. DH: "olona izay mety kely fahalalana, fa mihaino an'Andriamanitra"

toy ny zaza madinika

Ny olona izay mahafantatra fa tsy hendry sy manam-pahalalana izy ireo dia vonona ny hampianarina, vonona tahaka ireo zaza madinika.

fa izany no ankasitrahana tsara eo imason' Andriamanitra

"fa sitrakao ny hanaovana izany"