plt_tn/luk/10/10.md

1.4 KiB

tsy mandray anareo izy ireo

"raha mandà anareo ny olona ao amin'io tanàna io"

Fa na dia ny vovoky ny tanànanareo izay miraikitra amin'ny tongotray aza dia ho fafanay hanohitra anareo!

Ity dia fihetsika hampisehoana fa mandà ny olona ao amin'io tanàna io izy ireo. DH: "Toy ny andavanareo anay, no handavanay tsara anareo koa. Na ny vovoky ny tanànanareo izay miraikitra amin'ny tongotray aza dia lavinay"

Fantaro anefa izao: Efa manakaiky ny fanjakan' Andriamanitra

Ny fehezanteny hoe "Fa fantaro izao" dia mampiditra fampitandremana. Izany dia midika hoe "Na dia lavinareo aza izahay, dia tsy hampiova ny zava-misy hoe efa manakaiky ny fanjakan'Andriamanitra izany!"

Efa manakaiky ny fanjakan'Andriamanitra

DH: "Tsy hoe ela Andriamanitra dia efa hanapaka toy ny mpanjaka na aiza na aiza" na "Efa manodidina anareo avokoa ny porofo fa manjaka Andriamanitra"

Lazaiko aminareo

Jesosy nilaza ity tamin'ireo olona 70 izay nirahiny. Nilaza ity Izy mba hampisehoana fa hiteny zavatra tena manan-danja Izy.

andron'ny fitsarana

Ireo mpianatra dia afaka nahazo fa ity dia maneho ny fotoanan'ny fitsarana farany an'ireo mpanota.

ho azo leferina kokoa ny an'i Sodoma noho ny an'izany tanàna izany

"Andriamanitra dia tsy hitsara mafy an'i sodoma tahaka ny hitsarany izany tanàna izany.'' DH: "Andriamanitra dia hitsara mafy kokoa izany tanàna izany noho ny hitsarany ny olon'i Sodoma"