plt_tn/luk/09/59.md

1008 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Eny an-dalana Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo olona.

Manaraha Ahy

Ity dia milaza hoe ho mpianatr'i Jesosy ary manaraka Azy.

avelao aho aloha handeha handevina ny raiko

Tsy mazava tsara raha efa maty ny rain'ilay lehilahy dia handeha handevina azy avy hatrany izy, na hoe te-hijanona fotoana lavalava izy mandra-pahafatin'ilay rainy dia ho afaka mandevina azy izy avy eo. Ny hevi-dehibe dia ny hoe te-hanao zavatra hafa aloha ilay lehilahy mialohan'ny hanarahany an'i Jesosy.

Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy

Jesosy dia tsy milaza ara-bakiteny hoe ny olona maty dia handevina olona maty hafa. Ireo dika azo atao amin'ny hoe "ny maty" : 1) izany dia sariteny ho an'ireo izay ho faty afaka fotoana hohy, na 2) izany dia sariteny ho an'ireo izay tsy manaraka an'i Jesosy ary maty ara-panahy. Ny hevi-dehibe dia ny hoe ny mpianatra iray dia tsy tokony hamela na inona na inona manatara azy amin'ny fanarahana an'i Jesosy.

ny maty

"ny olona maty"