plt_tn/luk/07/44.md

921 B

Jesosy nitodika tany amin'ilay vehivavy

"Jesosy nanatrika ilay vehivavy." Jesosy nisarika ny sain'i Simona ho any amin'ilay vehivavy tamin'ny fitodihana tany aminy.

Tsy nanome rano hanasana ny tongotro ianao

Andraikitra fototry ny mpandray ny manome rano sy famafana ho an'ny vahiny mba hanasana sy hamainana ny tongotr'izy ireo taorian'ny nandehanany tongotra teny amin'ny lalana feno vovoka.

fa izy nahakotsa ireo tongotro tamin'ny ranomasony

Ilay vehivavy nampiasa ny ranomasiny ho solon'ilay rano tsy nisy

Tsy nanoroka Ahy ianao

Ny mpandray vahiny tena tsara amin'izany kolontsaina izany dia hiarahaba ny vahininy miaraka amin'ny oroka eo amin'ny takolaka. Simona kanefa tsy nanao izany.

tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro

"nanohy nanoroka ny tongotro"

nanoroka ny tongotro

Ilay vehivavy dia nanoroka ny tongotr'i Jesosy raha tokony ho ny takolany mba ho mariky ny fibebahana sy fanetre-tena.