plt_tn/luk/07/24.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manomboka miresaka amin'ny vahoaka ny momban'i Jaona mpanao batisa.

Inona ... volotara nahozongozon'ny rivotra ve?

Ity dia manantena valiny tsia. "hijery volotara nahozongozon'ny rivotra ve no nivoahanareo? Mino aho fa tsia!" DH: "Tsy hisalasalana fa tsy hijery volotara aozongozon'ny rivotra no nivoahanareo!"

Volotara nahozongozin'ny rivotra

"olona izay mora miova hevitra."

Fa inona ... lehilahy miakanjo soa ve?

Ity ihany koa dia manantena valiny tsia, hatramin'ny nanaovan'i Jaona akanjo marokoroko. "Jijery lehilahy miakanjo soa ve no nivoahanareo? Mazava ho azy fa tsia!" DH: Tsy hijery lehilahy miakanjo soa mihintsy no nivoahanareo!"

lapan'ny mpanjaka

Ny lapa dia goavana, trano lafo vidy izay ipetrahan'ny mpanjaka.

Fa inona ... mpaminany ve?

Ity dia mitarika any amin'ny valin-teny manaiky. "Hijery mpaminany ve no nivoahanareo? Mazava ho azy fa eny!" DH: "Fa nivoaka hijery mpaminany ianareo raha ny marina!"

Eny, hoy Aho aminareo

Jesosy nilaza ity mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe an'izay ho lazainy manaraka.

mihoatra lavitra noho ny mpaminany

Ity fehezanteny ity dia midika fa tena mpaminany tokoa Jaona, fa mbola lehibe lavitra noho ny mpaminany miavaka. DH: "tsy mpaminany tsotra fotsiny" na "lehibe noho ny mpaminany tsotra"