plt_tn/luk/05/27.md

656 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Rehefa nandao ilay trano Jesosy, dia nantsoiny Levy, ilay Jiosy mpamory hetra, mba hanaraka Azy. Nanomana sakafo be ho an'i Jesosy Levy izay nahasorena ireo Fariseo sy mpanora-dalàna.

Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo

Ny fehezanteny hoe "ireo zavatra ireo" dia maneho ireo izay nitranga tao amin'ny andininy teo aloha. Izany dia mampahafantatra tranga vaovao.

Manaraha Ahy

Ny "manaraka" olona dia fomba fiteny iray izay midika hoe lasa mpianatr'izy ireo. DH: "Meteza ho mpianatro" na "Avia, manaraha Ahy toy ny mpampianatra anao"

namela ny zavatra rehetra

"namela ny asany amin'ny maha-mpamory hetra"