plt_tn/luk/04/23.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Nazareta dia ilay renivohitra nahabe an'i Jesosy

Azo antoka

"tsy hisalasalana." Ity dia fanamafisana lehibe.

Dokotera, sitrano ny tenanao!

Raha tsy hita salama ny dokotera iray, dia tsy misy antony tokony hinoana fa tena dokotera izy. Rehefa niteny io ohabolana io tamin'i Jesosy ny olona, dia te-hilaza izy ireo hoe tsy mino fa mpaminany Izy satria tsy manana endrika mpaminany.

Na inona na inona renay ... dia manaova tahaka izany any amin'ny taninao

Ny olona tao Nazareta dia tsy nino fa mety ho mpaminany Jesosy nohon'ny toerana ambany misy Azy amin'ny maha-zanak'i Josefa Azy. Tsy hino izy ireo raha tsy mahita Azy manao fahagagana.

Lazaiko marina aminareo

"Tena marina izao." Ity dia fehezanteny manamafy ny momba izay manaraka eo.

tsy misy mpaminany voaray ao amin'ny taniny

Jesosy manao io fanambarana io mba hitenenana mafy ny olona. Ny tiany lazaina dia hoe mandà tsy hino ny tatitra tamin'ireo fahagagany tao Kapernaomy izy ireo. Nihevitra izy ireo fa efa fantatr'izy ireo avokoa ny momba Azy.

taniny

"tanàna niaviany" na "tanàna izay nahalehibe azy"