plt_tn/luk/04/18.md

1.1 KiB

Ny Fanahin'ny Tompo dia ato amiko

"Ny Fanahy Masina dia miaraka amiko amin'ny fomba miavaka." Rehefa misy olona miteny ity, dia mitaky ny hiteny ny tenin'Andriamanitra izy.

Nanosotra ahy Izy

Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny menaka fampiasa amin'ny fombafomba dia ahosotra amin'ny olona rehefa nomena hery sy fahefana hanao asa miavaka izy ireo. Jesosy mampiasa ity sariteny ity mba anehoana ny Fanahy Masina ao aminy izay hanomana azy ho amin'ny asany. DH: "ny Fanahy Masina dia ao amiko mba hanome hery ahy" na "nomen'ny Fanahy Masina hery sy fahefana aho"

ny mahantra

"ny olona mahantra"

hanambara fahafahana ho an'ireo babo

"teneno ireo olona izay babo fa afaka mandeha malalaka izy ireo" na "manafaka ireo babo an'ady"

hamerina fahitana ho an'ny jamba

"hanome fahitana ho an'ny jamba" na "hampahiratra ny jamba indray"

hanafaka ireo izay ampahoriana

"hanafaka ireo izay ampijaliana"

hanambara ny taom-pankasitrahan' Andriamanitra

"hilaza amin'ny rehetra fa vonona hitso-drano ny olony ny Tompo" na "hanambara fa ity ny taona izay hampisehoan'ny Tompo ny hatsaram-panahiny"