plt_tn/luk/03/08.md

1.0 KiB

mamokatra voa mendrika ny fibebahana

Amin'ity sariteny ity, ny fitondran-tenan'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny voa. Toy ny handrasana amin'ny zava-maniry iray mba hamokatra voa izay mifanaraka amin'izany karazana zava-maniry izany, dia handrasana amin'ny olona iray izay milaza fa nibebaka koa ny hiaina amin'ny fahamarinana. DH: "mamokatra ny karazana voa izay mampiseho fa nibebaka ianao" na "manao ireo zavatra tsara izay mampiseho fa niala tamin'ny fahotanao ianao"

miteny ao anatinareo

"miteny amin'ny tenanareo" na "mieritreritra"

Izahay manana an'i Abrahama ho rainay

"Abrahama dia razambenay" na "Taranak'i Abrahama izahay." Raha tsy mazava tsara hoe nahoana izy ireo no niteny izany, dia mety hampianao ity fanazavana ity hoe: "mba tsy ho sazin'Andriamanitra izahay"

manangana zanaka ho an'i Abrahama

Ity fomba fiteny ity dia midika hoe "mamorona zanaka ho an'i Abrahama" na "manao ny olona ho tonga taranak'i Abrahama."

avy amin'ireto vato ireto

Jaona dia mety miresaka an'ireo vato eo amin'ny reniranon'i Jordana.