plt_tn/luk/01/64.md

1.4 KiB

nisokatra ny vavany ... nafahana ny lelany

Ireo fehezanteny roa ireo dia sariteny izay miaraka manamafy fa afaka niresaka tampoka i Zakaria.

nisokatra ny vavany ary nafahana ny lelany

DH: "'Andriamanitra nanokatra ny vavany ary nanafaka ny lelany"

Tonga teo amin'ireo rehetra nanodidina azy ireo ny tahotra

"Ireo rehetra izay nipetraka nanodidina an'i Zakaria sy Elizabeta dia natahotra." Mety hanampy ny fametrahana mazava tsara ny antony nahatohina azy ireo. DH: "Ny rehetra izay nipetraka nanodidina azy ireo dia tao anatin'ny tahotra an'Andriamanitra izay nahavita izany tamin'i Zakaria"

ireo rehetra izay nipetraka

Ity dia tsy maneho ireo mpiara-monina mivantana amin'izy ireo fotsiny ihany fa ireo rehetra izay mipetraka amin'io faritra io.

ireo rehetra izay nandre azy ireo

Ny teny hoe "ireo" dia maneho ireo zavatra izay nitranga.

ireo rehetra izay nandre

Ity dia maneho vondron'olona lehibe izay niaina nanerana an'i Jodia.

milaza hoe

"mangataka"

ho lasa inona ary ity zaza ity?

"karazan'olona lehibe toy ny inona ity zaza ity rehefa lehibe?" Mety azo eritreretina koa hoe ity fanontaniana ity dia natao ho fanambarana ny tsy nampoiziny tamin'ny zavatra reny momba ilay zazakely. DH: "Ho lehilahy tena lehibe ity zaza ity!"

momba azy ny tanan'ny Tompo

Ny fehezanteny hoe "ny tanan'ny Tompo" dia maneho ny herin'ny Tompo. "Niaraka taminy ny herin'ny Tompo" na hoe "Niasa mahery tao aminy ny Tompo"