plt_tn/luk/01/52.md

1.1 KiB

Naongany tamin'ny seza fiandrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka

Ny seza fiandrianana dia seza izay ipetrahan'ny mpanapaka, ary mariky ny fahefany izany. Raha nesorina tamin'ny seza fiandrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka, dia midika izany fa tsy manana fahefana hanjaka intsony izy. DH: "Nalainy ny fahefan'ny zanaka lahin'ny mpanjaka" na "Najanony tsy hanjaka intsony ny mpanapaka"

nanongana ny zanaka lahin'ny mpanjaka ... nanandratra ireo mahantra

Ny fifanoherananeo eo amin'ireo hetsika mifanohitra ireo dia tokony atao mazava tsara ao amin'ny dikan-teny raha azo atao.

ambany

"fahantrana." Ny fianakavian'i Maria dia mahantra. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:48

nanandratra ireo ambany

DH: "nanome voninahitra ny olona izay tsy nomen'ireo hafa voninahitra"

Namoky ireo noana izy ... ny mpanan-karena nampodiany tsy nanana na inona na inona

Ny fifanoherana eo amin'ireo hetsika roa ireo dia tokony atao mazava tsara ao amin'ny fandikan-teny raha azo atao.

namoky zava-tsoa an'ireo noana

Ireo dikan-teny azo atao: 1) "Nanome sakafo tsara hoanina ho an'ireo noana" na 2) "nanome ireo zavatra tsara ilaina."