plt_tn/luk/01/26.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny anjely Gabriely manambara amin'i Maria fa ho renin'Ilay iray izay zanak'Andriamanitra izy.

teo amin'ny faha-enim-bolana

"teo amin'ny faha-enim-bolan'ny vohok'i Elizabeta." Mety ilaina ny mametraka an'io mazava tsara raha ho afangaro amin'ny faha-enim-bolan'ny taona izany .

ny anjely Gabriela dia nirahin'Andriamanitra

Afaka atao ho tso-drafitra izany. DH: "Andriamanitra niteny tamin'ny anjely Gabriela mba handeha"

Avy tamin'ny taranak'i Davida izy

"Mitovy foko amin'i Davida izy" na hoe "Taranak'i Davida mpanjaka izy"

fofombady

"natao antoka'' na hoe "nampanantenaina hanambady." Ny ray aman-drenin'i Maria dia nanao fanoloran-tena ho azy mba hanambady an'i Josefa.

ny anaran'ilay virjiny dia Maria

Ity dia mampahafantatra an'i Maria toy ny mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara.

Nankeo aminy izy

"Ny anjely nanatona an'i Maria"

Arahaba

Ity dia fiarahabana iraisana. Izany dia midika hoe: "Mifalia" na hoe "miravoravoa."

Nohasoavina indrindra ianao!

"ianao izay nandray fahasoavana be!" na hoe "ianao dia nandray hatsaram-panahy miavaka!"

Miaraka aminao ny Tompo

"miaraka aminao" dia fomba fiteny izay mitaky fanohanana sy fanekena. DH: "Faly aminao ny Tompo"

very hevitra tamin'ny teniny izy... nanontany tena hoe karazana fiarahabana toy ny inona izany

Maria dia nahazo ny dikan'ny teny tsirairay, fa tsy azony hoe nahoana ilay anjely no niteny izany fiarahabana mahagaga izany taminy.