plt_tn/lev/27/24.md

1.0 KiB

ilay lehilahy izay nividianana izany ny tany, any amin'ny tompon'ny tany

Ireo andian-teny roa ireo dia milaza zavatra mitovy. Raha ny marina dia tokony novidiana tamin'ilay tompony ilay tany.

'ilay lehilahy izay nividianana izany

DH: "ilay lehilahy izay nivarotra izany"

Ny tombam-bidy rehetra dia tsy maintsy atao

DH: "Ny mpiorona dia tsy maintsy mamaritra ny tombam-bidiny"

araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina

Ny karazan-danjan-tsekely samihafa. Io dia ilay izay ampiasaina ao amin'ny fitoerana masin'ny trano-lay masina.

Tsy maintsy gera roapolo no mifandraika amin'ny sekely iray

Ny tanjon'io fehezanteny io dia ny hilaza ny lanjan-tsekelin'ny fitoerana masina. Ny gera dia mari-danja ambany kely indrindra izay nampiasain'ireo Israelita. DH: "aoka hitovy amin'ny sekely iray ny gera roapolo"

Tsy maintsy gera roapolo no mifandraika amin'ny sekely iray

Raha ilaina ny fampiasana ny mari-danja moderina, dia inty misy fomba iray hanaovana izany. DH: "Aoka hilanja folo grama ny sekely iray"