plt_tn/lev/26/16.md

998 B

raha manao ireo zavatra ireo ianareo

Ny andian-teny "ireo zavatra ireo" dia manondro ireo zavatra voatanisa ao amin'ny 26:14.

Hampisy horohoro aminareo Aho

Eto, ny "horohoro" dia mampiseho ny zavatra izay hahatonga azy ireo hatahotra. DH: "Handefa loza izay hampitahotra anareo Aho"

hanimba ny ainareo

"haka ny ainareo tsimoramora" na "hamono anareo tsimoramora." Ny aretina sy ny tazo no hanao izany.

Hamboly ireo voa ho zava-poana ianareo

Ny andian-teny "zava-poana" dia midika fa izy ireo dia tsy hahazo na inona na inona amin'ny asan'izy ireo. DH: "Amin-java-poana no hambolenareo voa" na "hamboly ny voanareo ianareo, kanefa tsy hahazo na inona na inona avy amin'izany"

Hanandrina ny tavako hanohitra anareo Aho

Io dia midika fa Izy dia hanohitra azy ireo. Ny tavany dia mampiseho ny fahatezerany ary Izy dia hiady hanohitra azy ireo. DH: "Hifanohitra isika" na "hanohitra anareo Aho"

hanjakan'ireo fahavalonareo tanteraka ianareo

DH: "handresy anareo ny fahavalonareo"