plt_tn/lev/24/19.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Andriamanitra dia miresaka amin'i Mosesy ny amin'ny tsy maintsy ataon'ny vahoaka rehefa misy manao zavatra ratsy.

tsy maintsy atao aminy

DH: "Tsy maintsy ataonao aminy izany"

Fahatapahana solon'ny fahatapahana, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify

Ireo andian-teny ireo dia manamafy fa ny olona iray dia tokony mahazo ny ratsy nataony tamin'ny olona hafa.

Fahatapahana solon'ny fahatapahana

Io dia manondro ny fahatapahan'ny taolana. DH: "taolana tapaka solon'ny taolana tapaka" na "raha manapaka taolan'olona izy, dia aoka ho tapaka ihany koa ny taolany" na "raha manapaka ny taolan'ny olona hafa izy, dia hanapaka ny taolany izy ireo"

maso solon'ny maso

Io dia manondro ny faharatran'ny maso tanteraka na poaka. DH: "raha mamotika mason'olona iray izy, dia aoka hopotehina ny masony " na "raha mamotika mason'olona izy, dia hamotika ny masony izy ireo"

nify solon'ny nify

Io dia manondro ny famelezana ny vava. DH: "raha mamely totohondry nifin'olona hafa izy, dia aoka ho velesina ihany koa ny nifiny" na "raha mamely totohondry nifin'olona hafa izy dia hamely ny nifiny izy ireo"

izay rehetra mamono olona dia tsy maintsy vonoina

DH: "Aoka izy ireo hamono ny olona izay mamono olona"