plt_tn/lev/22/14.md

1.2 KiB

aoka izy hanonitra izany amin'ny mpisorona; aoka izy hanampy iray ampahadimin'izany

iray ampahadimy - Ireo mety ho heviny dia 1) ilay olona dia tsy maintsy manolo ilay sakafo izay nohaniny niaraka tamin'ny sakafo nitovy karazana tamin'izany na 2) ilay olona dia tsy maintsy manefa vola amin'ilay mpisorona nohon'ny sakafo izay nohaniny.

iray ampahadimy

Io dia ampahany iray amin'ny iray zaraina dimy mitovy.

aoka ...tsy hametaveta ny zavatra masina

DH: "aoka hitondra ny zavatra masina amim-boninahitra"

izay efa nasandratra ambony sy natolotra

Ny andian-teny "nasandratra ambony" dia manondro ny fihetsika famantarana ny fanajana izay mampiseho ny fanolorana zavatra an'i Yaveh. Izany dia mitovy hevitra amin'ny "manolotra" amin'ny ankapobeny. DH: "izay efa natolotr'izy ireo"

tsy hampitondra ny tenan'izy ireo ny fahotana izay manameloka azy ireo amin'ny fihinanana ny sakafo masina

Ny heloka dia resahina toy ny hoe vaingan-javatra izay azo entina. Ireo mety ho heviny dia 1) ho tompon'andraikitra ny amin'ny heloka ary ho lasa meloka izy ireo. DH: "ho meloka nohon'ny heloka izay nataony izy ireo" na 2) ny teny "heloka" dia sarin-tenin'ny famaizana nohon'ny heloka izay vitan'izy ireo. DH: "hahazo famaizana izy ireo satria meloka"