plt_tn/lev/05/14.md

1.2 KiB

manota ireo zavatra izay an'i Yaveh

Izany hoe, ny olona nanota tamin'ny alalan'ny tsy fanomezana an'i Yaveh izay nandidian'i Yaveh azy mba hatolony. DH: "manota amin'ny alalan'ny tsy fanomezana an'i Yaveh izay an'i Yaveh"

ny lanjan'izany dia aoka ho tombanana amin'ny sekely volafotsy

DH: "aoka izy hamaritra hoe firy sekely no mifanaraka amin'ilay zanak'ondry lahy"

sekely

Ny iray sekely dia eo ho eo amin'ny 11 grama eo ny lanjany.

ny sekelin'ny fitoerana masina

Io dia midika fa mety ho nisy fomba roa fara fahakeliny nandrefesana ny sekely. Io dia manondro ny fomba nandanjan'ireo mpisorona eo amin'ny fitoerana masina ny iray sekely. DH: "Ny fenitra ofisialin'ny lay voahasina" (UDB)

ny fitoerana masina

Io dia anarana hafa hilazana ny trano-lay masina.

aoka izy hanampy iray ampahadimy

ampahadimy- Io dia midika fa manefa iray ampahadiminy ambonin'izay hohefainy amin'i Yaveh ilay olona.

ampahadimy

ampahadimy- Io dia ny ampahany iray amin'ny dimy zaraina mitovy.

hanao fanonerana ho azy ...ilay mpisorona

Ny anarana "fanonerana" dia azo adika amin'ny matoanteny. DH: "hanonitra ho azy ilay mpisorona"

ho voavela izany olona izany

DH: "Hamela ny helok'izany olona izany i Yaveh"