plt_tn/lev/01/07.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona mba azo ekena eo aminy ny fanatiny.

handrehitra afo eo amin'ny alitara ary hanisy kitay

Io dia mety midika fa ireo mpisorona dia nametraka vain'afo teo amin'ny alitara, ary avy eo nasiana kitay teo amin'ilay vain'afo. Na azonao alahatra araka ny ao amin'ny UDB io. DH: "hanisy kitay eo amin'ny alitara ary handrehitra"

hanisy kitay

Io dia fomba fiteny izay midika hoe tsy mitsahatra mandroso kitay amin'ny afo. Adikao io fomba fiteny io mba ho fantatra fa ilay afo eo aminny alitara dia tsy maintsy mirehitra hatrany. DH: "mba hirehetan'ny afo hatrany"

Fa ny taovany sy ny feny dia tsy maintsy ho sasany amin'ny rano

Hanao izany ilay olona mialohan'ny hanomezany ireo hena voatetika ho amin'ny mpisorona mba hapetraka eo amin'ny alitara. Io dia azona lazaina any amin'ny fiafaran'ny 1:5.

taovany

Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy.

tsy maintsy ho sasany

Eto, ny "-ny" dia manondro ilay olona manao fanatitra.

Hiteraka hanitra malefaka ho Ahy izany

Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh.

fanatitra natao tamin'ny afo

Yaveh dia miteny amin'i Mosesy fa ireo fanatitra ireo dia dorana amin'ny afo. DH: "fanatitra dorana ho ahy"