plt_tn/lev/01/05.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.

Dia aoka izy hamono ny ombilahy

Eto, ny "izy" dia manondro ilay manao fanatitra. DH: "Dia aoka ianareo hamono ny ombilahy"

eo anoloan'i Yaveh

"eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh"

dia hanolotra rà

Io dia midika fa ireo mpisorona dia hitaty ny rà amin'ny lovia jobo rehefa mijininika avy amin'ilay biby izany. Avy eo dia hitondra ilay lovia jobo misy rà izy ireo ary hanolotra izany ho an'i Yaveh eo amin'ny alitara.

Dia aoka izy hamolo ny fanatitra dorana ary hitetitetika izany

Araka ny voatondro ao amin'ny 1:9, ilay olona dia tsy maintsy manasa ny ao anatiny sy ny tongotr'ilay biby amin'ny rano. Manao izany ilay olona mialohan'ny hanolorana ny hena voatetika ho amin'ireo mpisorona mba hahafan'izy ireo mametraka izany eo ambony alitara. Araka ny ao amin'ny UDB, azonao lazaina eto ny fomba nanasana ny tao anatiny sy ny tongony.

Dia aoka izy hamolo

Eto, ny "izy" dia manondro ilay manao fanatitra.