plt_tn/jol/03/01.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny anakapobeny:
Manohy ny resaka momba ireo tranga hoavy Andriamanitra.
# Indro
Ny teny "indro" eto dia manampy fanasongadinana amin'izay manaraka.
# amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany
Ny andian-teny "amin'izany fotoana izany" dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny andian-teny "amin'izany andro izany." D.H: "amin'izany andro izany" na "tena amin'izany fotoana izany."
# rehefa hampody ny sesitanin'i Joda sy Jerosalema Aho
D.H: "Rehefa hamerina ireo sesin-tany any Joda sy Jerosalema aho"
# ny Israely oloko sy lovako
Ireo andian-teny roa ireo dia manamafy ny fomba fijerin'i Yaveh an'Israely ny maha olona sarobidy azy ireo. D.H: "ny olon'Israely, izay lovako."
# Nanao filokana ho an'ny oloko izy ireo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tena, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroin'izy ireo.
Ireo dia fanoharan-javatra isan-karazany nataon'izy ireo ary tsy nilaza izay nataon'izy ireo tamin'ireo zaza roa samihafa. D.H: "ary nanao ireo zavatra toy ny fivarotana zazalahy ho an'ny mpivaro-tena sy famarotana zazavavy ho an'ny divay, mba hisotroan'izy ireo."