plt_tn/job/41/28.md

801 B

tonga akofa aminy ireo vaton'ny antsamotady

Ny akofa sy ny atsamotady dia tsy mahavita mandratra azy.

Ataony tahaka ny mololo ireo langilangy

Ny langilangy vita amin'ny mololo sy vita amin'ny hazo dia tsy mahavita mandratra azy. DH: "mihevitra ny langilangy ho toy ny mololo izy"

mihomehy amin'ny firaondraonana amin'ny fanidin'ilay lefona izy

Ny olona dia mitoraka ny leviatana amin'ny lefona mba hahafaty azy, kanefa ny mpanoratra dia miresaka ny Leviatana toy ny hoe mahalala fa tsy hahavoa azy ilay lefona ary mihomehy izy.

mamela dian-kitsaka eo amin'ny fotaka izy tahaka ny kodiaram-by fikosoham-bary

Ny kodiaram-by fikosoham-bary dia hita amin'y fikosoham-bary ary mihodina mba hahapotika ny vary, ary ny diany dia mamela soritra eo amin'ny tany toy ny hoe karamaina sy mandeha.